Ity “Proclaiming the Word” (Fanambaran ny Teny) ity dia Fampianarana Baiboly eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena eo anivon’ny CEF Inc. Ity dia mitady mba hamaly ireo filàna ara-panahin’ireo mpiandraikitra manerantany amin’ny alalan’ny Fampianarana Baiboly Manerantany. Ity koa dia ho fitahiana ho an’ireo izay tena mampiasa sy mihevitra ny Baiboly ho tena Tenin’Andriamanitra.
Ity asa ity dia mampiseho ny CEF amin’ireo sehatra samihafa:
FAMPIANARANA SY FITORIANA
Amin’ny alalan’ny fampianarana ao amin’ny Institut CEF
Amin’ny alalan’ny fampianaran’ny CEF any amin’ny Sekoly Biblika sy Seminera maro isakarazany
Any amin’ireo konferansa, fiofanana sady fampaherezana sy asa eo anivon’ny fiangonana.
Misolotena ny CEF
amin’ny alalan’ny famangiana mpitandrina sy mpitarika kristiana,
Misolotena ny CEF amin’ny fivoriambe iraisam-pirenena, filankevitra sy koferansa.
Fanoratana
Amin’ny fanoratana loha-hevitra iray. Ny ankabeazany dia hita ato amin’ity tranonkala ity.