Fitahiana ho anao ve ity tranonkala ity?



Results

Andriamanitra ao amin’ny fiainan’I Abrahama

Genesisy 12, 8

Fanorenana alitara

Rehefa mijery ny fiainan’I Abrahama isika dia mahita ny finamanana akaikin’izy sy Andriamanitra. Nanorina alitara Abrahama dia niantso ny anaran’ny Andriamanitra. Noho izany dia ny hany azontsika lazaina dia hoe: nanorina alitara izy. Tsy mahita isika fa hoe nanorina lapa be izy ohatra. Tamin’ny faran’ny fiainany dia nanamboatra fasana ho an’I Sarah izy. Fa tamin’izay rehetra nalehany dia nanorina alitara izy, ary nifandray foana tamin’Andriamanitra tamin’ny fiainany rehetra. Taorian’ireo aliltara naoriny dia afaka manao drafitry ny fiainany isika.
Niankohoka tamin’I Andriamanitra Abrahama. Izany no tena zavatra tiany sy mameno ny fotoanany. Ohatra: miankohoka amin’Andriamanitra izy rehefa:
  • niverina avy tany Egypta izy Genesisy 13, 2-4);
  • Nahita ny halehiben’ny tany Kanana izy Genesisy 13, 14-18);
  • Nilaza taminy ny Tompo ary nanova ny anarany Abrama ho Abrahama ( Genesisy 17, 3-5);
  • Nanao fanekena tamin’I Abieleka tao Beri-Sheba izy ( Genesisy 21, 33).

Ny fanorenana alitara dia tsy asa mora. Tsy maintsy mila vato sy feta. Fa ny fanorenana alitara tena sarotra dia ny fiakarany tany amin’ny tendromobohitra Moria. Ity fanorenana alitara ity dia tsy nampaharary ny lamosiny fa ny fony mihitsy. Fantany fa ity alitara ity dia naorina ho an’ny zanany. Teo imason’ny Tompo Abrahama dia nanolotra ny zanany ho fanatitra. Ny zanakondry tsy tongatonga ho azy teo fa ny Tompo no nanomana izany.

Ny teolojian’I Abrahama

Nahalala an’Andriamanitra mihoatra ireo olona niaraka taminy I Abrahama. Andriamanitra mihitsy no nanambara ny fahamarinan’ny tenany ( Genesisy 18,19). Tsy mbola nisy Baiboly tamin’izany. Ny fomba hahafahana mahafantatra an’Andriamanitra dia Izy irery ihany, Nambarany manokana tamin’I Abrahama ny tenany. Rehafa niteny tamin’Andriamanitra Abrahama na rehefa milaza mikasika an’Andriamanitra izy, dia nampiasa ireto anarana ireto izy.
  • ADONAI ( TOMPO ) – Genesisy 15, 2
  • YAHVWEH (IZAHO NY IZY-TOMPO) – Genesisy 15,  2
  • EL ELYON (ANDRIAMANITRA AVO INDRINDRA) – Genesisy 14, 22
  • EL SHADDAI (ANDRIAMANITRA MAHERY) – Genesisy 17, 1
  • EL ROI ( ANDRIAMANITRA MAHITA AHY) – Genesisy 16, 13
  • EL OLAM (ANDRIAMANITRA MANDRAKIZAY) – Genesisy 21,  33
  • YAHWEH JIREH (ANDRIAMANITRA MANOMANA) – Genesisy 22,14
Tsy nanana Baiboly I Abrahama, nefa mahalala an’Andriamanitra mihoatra ny olona iray izay manana izy. Ny dingana fahafantarantsika an’Andriamnitra no mamaritra ny fiainantsika. “Asehoy ahy ny Andriamanitrao hilazako anao ahoana no tokony fiainanao, ary ahoana no handanianao ny mandrakizainao!”

Ny fahafantaranao an’Andriamanitra no fototra, raha tsy misy an’izany dia tsy misy tena fiainana sy asa fanompoana.

Hoy I James N Spurgeon:
“Ny asa rehetra dia azonao isafidianana; ny asa fanompoana dia avy amin’ny antson’ny Tompo. Amin’ny asa ianao dia handray, fa amin’ny asa fanompoana ianao dia hanome. Amin’ny asa ianao manome zavatra iray mba hahazo iray hafa, eo amin’ny asa fanompoana dia mamerina zavatra iray izay nomena anao ianao. Ny asa dia miankina amin’ny fahaizanao: ny asa fanompoana kosa dia miankina amin’ny fotoana hahafahanao manompo ny Tompo. Ny asa vita tsara dia hahazoanao sitraka, fa ny asa fanompoana kosa dia mitondra voninahitra ho an’ I Kristy.”

Ity asa fanompoana ity dia atao mba hitondra voninahitra ho an’ny KristyTompo sy Mpamonjy antsika.

Ianao dia afaka manao kopia ary mampiasa ny fiitaovana rehetra amin’ity tranonkala ity nefa ataonao ho an’ny Ray izany ary tsy azonao ovaina izay ao anatiny. Asaina koa ianao mba hilaza ireo mpihaino sy mpamakinao rehefa azonao ity fitaovana ity. www.proword.eu, Proclaiming the Word (Fampianarana Baiboly Eran-tany eo anivon’ny CEF)