ProWord
Fitahiana ho anao ve ity tranonkala ity?
Eo an-tongotry ny Tompo Jesosy
1. FAMELAN-KELOKA – Lioka 7,38
Na dia nanasa Azy hiara-hihinana aminy tao an-tranony aza ilay Fariseo dia tsy nipetraka teo an-tongony, fa tiany ny hipetraka miaraka Aminy teo ambony latabatra. Fa ilay vehivavy kosa tsy nanasa Azy handroso tao an-tranony (angamba tsy nanana trano izy), fa kosa nahafantatra ny tena olany izy: dia ny “ota”. Fantany fa tena mila famelan-keloka izy. Nentiny teo an-tongotr’I Jesosy izany fahotany izany.
NY TOMPO JESOSY DIA ANDRIAMANITRA IZAY MAMELA HELOKA
2. FAMPIANARANA MARINA – Lioka 10.39
Fantatr’I Maria fa mila fampianarana izy. Nefa I Marta no nampiantrano an’I Jesosy tao an-tranony tao Betany, fa I Maria kosa no nipetraka teo an-tongony mba hianatra ny teniny. Ny fianarana dia mila fifantohana tanteraka. Noho izany dia marina izany raha tsy I Maria no nanasa Azy handroso tao an-tranony, fa nalainy ny toerana mba hipetraka eo an-tongotr’I Jesosy izay tena hitany fa tena anjara tsara. Lioka 10.42
NY TOMO JESOSY DIA ANDRIAMANITRA IZAY FAHAMARINANA, SY MAHALALA ARY TIA ANTSIKA
3. TOERAM-PIONONANA
Tena nalahelo I Maria noho ny fahafatesan’ny anadahiny Lazarosy. Tsy nieritreritra ny handeha eny an-tokontanin’ny fasana izy na dia izany aza no noeritreretin’ny jiosy teo. Fantany fa tsy afaka ny anantena fiononana avy amin’ireo olona izay manana olana mitovy aminy koa izy. Fa nandeha teo an-tongotry ny Tompo Jesosy izy. Izy ihany no afaka mitondra fiononana. Eo amin’ny toeran’ny alahelo dia I Jesosy irery ihany no afaka nitondra fifaliana tao am-pon’I Maria.
JESOSY TOMPO DIA ANDRIAMANITRA IZAY MIKARAKARA ANTSIKA AO ANATIN’NY OLANA
4. FIAINAN’NY ANKIZY – Lioka 8.41
Ny fahafatesan’ny zanakavavin’I Jairo no nahatonga azy hitady an’I Jesosy. Nony nahita Azy izy, avy hatrany dia niankohoka teo an-tongotr’I Jesosy. Nino izy fa tsy misy olona hafa afaka mamelona indray ny zanany vavy. Nanamafy I Jairo fa raha tsy misy an’I Jesosy ny ankizy dia maty. Mihoatra ny fitiavan-dray aman-dreny, rivotra, trano, ankanjo sy sakafo, mila ny Tompo Jesosy ny ankizy. Fantatr’I Jairo ny halehany mba hamonjena ny zanany maty.
NY TOMPO JESOSY DIA ANDRIAMANITRA IZAY TE-HANOME FIAINANA NY ANKIZY REHETRA
5. FANKASITRAHANA SY FISAORANA 6 Lioka 17.16
Ireo boka folo lahy dia nihaona tamin’ny Tompo Jesosy, ny tsirairay avy dia nahita ny fitiavan’Andriamanitra. Voadio tamin’ny fahabokana izy rehetra. Niverina tamin’ny fiainana madio avy izy rehetra. Nefa ilay iray ihany no nahatsapa fa tokony hiverina hisaotra sy hankasitraka ny Tompo, Samaritana izy. Niverina izy dia avy hatrany dia niankohoka teo an-tongotr’I Jesosy. Ny zavatra nahagaga dia iray fotsiny no niverina fa ireo sivy lahy dia tonga dia lasa. Ilay Samaritana dia voadio indroa: ny nofony sy ny fanahiny koa. Ilay fankasitrahany dia maneho ny fiainany ara-panahy.
NY TOMPO JESOSY DIA ANDRIAMANITRA IZAY MENDRIKA FANKASITRAHANA.
6. FANDRESENA NY TAHOTRA – Apokalypsy 1.17
Rehefa nahita ny Tompo Jesosy tamin’ny voninahiny ny Apostoly Jaona, dia natahotra izy. Fantany ny Tompo Jesosy, nandeha niaraka aminy izy, nihaino Azy nampianatra izy, nikasika Azy izy. Fa rehefa nahita Azy tamin’ny voninahiny izy, na dia efa antitra aza, dia
niankohoka tamin’ny tongotr’I Jesosy izy. Fantany tsara fa I Jesosy no Voalohany sady Farany. Nangina izy ary namela ny Tompo hiteny taminy. Ny apostoly Jaona dia ohatra lehibe tamin’ny fanarahana ny Tompo. Fantany fa ny toerana tsara indrindra dia ny eo an-tongotr’I Jesosy.!
NY TOMPO JESOSY DIA ANDRIAMANITRA IZAY MENDRIKA NY OMENA NY FIAINANTSIKA REHETRA SY NY VONINAHITRA KOA. !