ProWord
Fitahiana ho anao ve ity tranonkala ity?
Fa nahoana isika no mila mamita iraka amin’ny ankizy?
Ny apostoly Paoly ao amin’ny Rom 1, 16 dia manambara fa “ny Filazantsara dia herin’Andriamanitra ho famonjena izay rehetra mino”. Ny baiko farany napetraky ny Tompo dia ny hoe:”Mitoria ny filazantsara amin’ny olombelona rehetra” (Marka 16, 15).
1. Ny antony voalohany sady manandanja fa maninona isika no mamita iraka amin’ny ankizy dia tena ilaina, itoeran’ny baikon’ny Tompo mahery indrindra. Ny kristiana dia tsy afaka ny hiala na hiodina io baiko io. Tian’ny Tompo ny ankizy hanantona Azy (marka 10, 14; Mat 18, 14) Ny Fitoriana Filazantsara araka ny Baiboly dia maniraka antsika hitory amin’ny olombelona rehetra ao anatin’izany ny ankizy.
2. Ny ankizy dia manana filàna ara-panahy. Raha tsy manana ny Tompo izy ireo dia maty ara-panahy. Manana olana amin’ny fahotana izy ireo ary mila mandray ary mametraka ny fitokisany tanteraka amin’ny Tompo. Jesosy.
3. Ny ankizy dia afaka mamaly ny Filazantsara amin’ny alalan’ny finoana farany izay tsotra ananany. Ny Pat Verbal, mpanoratra sy mpanofana eo amin’ny asa fanompoana amin’ny ankizy eo anivon’ny International Network of Children’s Ministry, dia manambara fa ny 75-85% ‘ny kristiana amin’izao fotoana izao dia nanolotena ho an’ny Tompo talohan’ny faha 1( taonany.
5. Manana afotoana lava tokoa ny ankizy manoloana ny hoaviny. Ny iraka amin’ny ankizy dia tena fanomezan-tànana ho azy mikasika ny hoaviny. Ny isa ankapoben’izao tontolo izao dia eo amin’ny 6.000.000.000. farafahakeliny dia iray ampahatelony dia ankizy avokoa, ary izy ireo no ho avin’ny firenena sy ny fiangonana. Ny ankizy voavonjy iray dia fiainana voavonjy.
6. Ny ankizy koa anefa dia fitaovana mahomby eo am-pelan-tanana’Andriamanitra hamonjy ny hafa. Ny fianakaviana, ao anatin’izany ny ray aman-dreny sy ny ireo ray be sy reny be dia afaka ny ho voavonjy amin’ny alalan’ny fijoroana vavolombelona tsotra ataon’ny ankizy vavonjy iray. Eny fan a dia ireo namany azy dia afaka ny voavonjy ho an’I Kristy koa. Noho izany dia ny ankizy dia tena fitahiana ho an’ny fiangonana an-toerana tokoa.
7. Ny ankizy dia tena mitana andraikitra lehibe eo amin’ny tantaran’ny Fiangonana Kristiana. Hoy I Martin Luther “ Raha ny Fanjakan’Andriamanitra dia ho avy amin’-kery dia mila manomboka amin’ny ankizy isika ary mila mampianatra azy ireo isika hatrany amin’ny fitrotroana” I charles spurgeon dia nanoratra hoe: “Mila ny Filazantsara ny ankizy, ny Filazantsara manontolo, ny Filazantsara ho an’ny ankizy, tokony manana an’io izy ireo, ary rehefa ampianarian’ny Fanahy Masiny izy ireo dia afaka mandray azy io tahaka ny olona efa masaka ela”. Dean Stone, filohan’ny INCM taloha dia nanamarika fa ny asa fanompoana amin’ny ankizy no tena tetikady mahomby amin’ ny Fitoriana Filazantsara eo amin’ny Fiangonana… ny tsara indrindra amin’ny asa fanompoana eo amin’ny fiangonana an-toerana dia manomboka amin’ny fahazazana ary mitohy amin’izany.”
8. Ny ankizy dia mila ireo izay manana fanomezam-pahasoavana avy amin’ny Fanahy Masina. Ireo olona ireo dia afaka mampianatra sy mitory amin’izy ireo. Izy ireo dia nantsoin’Andiramanitra mba hanolotena amin’ny iraka amin’ny ankizy (Rom 1, 16).
9. Manome voninahitra an’Andriamanitra isika amin’ny fanolorantena amin’ny iraka amin’ny ankizy. Ny tena faniriana lehibe amin’ny kristiana, dia tsy ny ho ray amandreny na mpampianatra fotsiny no manome voninahitra an’Andriamanitra. Rehefa voavonjy ny ankizy ary rehefa mitombo sy miaina ao amin’I Kristy izy ireo dia manome voninahitra ho Azy! Io no vokatra izay tadiavin’ny Tompontsika! Ny iraka amin’ny ankizy dia tena ilaina hanomezam-boninahitra ny Tompo!