ProWord
Fitahiana ho anao ve ity tranonkala ity?
Fanasana avy amin’ny Apostoly Paoly
Mba hampahery antsika hiaina araka ny toe-panahy araka an’Andrimanitra dia manasa antsika ny Apostoly Paoly (araka ny Efasiana 5) hipetraka amin’ireto toerana itreto.
1. Tempoly (Efesiana 5, 1-7)
Ao amin’ny Tempoly I Paoly no mampatsiahy antsika ny sorona nataon’ny Tompo Jesosy ho antsika. Ny fahotana dia ratsy ary maharikoriko ny Tompo (Isaia 3, 24).
Raha mandeha araka ny fitiavana isika, ny fiainantsika dia ho fanatitra velona ( Romana 12, 1-2; Filipiana 2, 17)., hankasitrahan’ny Tompo. (Jaona 12, 1-8).
2. Saha ( Efesiana 5, 8-14)
Araka izany ny Apostoly Paoly dia nandeha teo amin’ny saha mba hampiseho antsika vokatra ary nampatsiahy antsika fa ny mandeha amin’ny mazava dia mamokatra vokatra ara-panahy.(Galatiana 5, 22-23).
Raha mandeha eo amin’ny mazava isika , dia tsy hiaraka amin’ny maizina mihitsy. (2 Kor 6, 14-18).
3. Toeram-pivarotana ( Efesiana 5, 15-17)
Nitondra antsika eo amin’ny sehatry ny varotra indray ny Apostoly Paoly ka mampahery antsika mba ho toy ny mpanao afera izay mahay manararaotra ny zavatra tsara.
Raha mandeha amin’ny fahendrena isika, dia tsy mandany fotoana.
4. Efitrano malalaka (Efesiana 5, 18-21)
Manaraka ny Apostoly Paoly ao amin’ny efitrano malalaka isika (EFes 5, 18-19) izay toerana hianarantsika mandeha araka ny Fanahy (Gal 5, 16-26).
Rehefa mandeha araka ny Fanahy isika dia feno fifaliana, fisaorana, ary mifanaiky amin’ireo rahalahy.
5. Tokantrano( Efes 5, 22-33)
Ny famangiana farany izay hitondran’ny Apostoly paoly antsika dia ny ao an-tokantrano, izay ampiasainy ny fanambadiana tahaka ny fifandraisan’I Kristy sy ny Fiangonana. Tia antsika Kristy ary maty ho antsika, ary amin’izao fotoana izao dia tia antsika sy mikarakara antsika Izy. Ito fifandriasna akaiky ito dia hitantsika ao amin’ny Tononkiran’I Solomona ary marina ho an’izay tena miankina tanteraka Aminy izany.
Rehefa manaiky ny tompo Jesosy isika dia lasa fitahiana ho an’ny hafa.