ProWord
Fitahiana ho anao ve ity tranonkala ity?
Inona no hafatra ilain’ny ankizy ankehitriny?
1. Mila mihaino mikasika an’Andriamanitra izy ireoAndriamanitra no loharanon’ny famonjena. Ny ankizy dia mila mahafantatra Iza moa Andriamanitra ary inona no zavatra ataony.
Tsy azon’ny ankizy mihitsy ny andraikiny manoloana ny fahotana raha tsy azony mazava ny mikasika an’Andriamanitra.
Noho izany indrindra no ampianarantsika azy hoe:
- Andriamanitra dia namorona anao (Asa 17, 23-29): tomponandraikitra manoloana Azy ianao.
- Andriamanitra dia miteny aminao amin’ny alalan’ny Baiboly (1 Kor 3-4) tomponandraikitra ianao amin’ny fihainoana Azy.
- Andriamanitra dia masina sy mahitsy (Asa 17, 31): Tsy maintsy hitsara anao Izy.
- Andriamanmitra dia tsara ary tena tia anao (Jaona 3, 16):Nanao famonjena azonao raisina sy vonona ho anao Izy.
2. Mila mihaino mikasika ny fahotana izy ireo
Ny fampianarana mikasika ny fahotana dia mitondra azy ireo hila famonjena. Ny fahotana sy ny vokany dia mila hazavaina matetika sy amim-pahamatorana. Noho izany indrindra no ampianarantsika azy hoe:
- Ny fahotanao manoloana an’Andriamanitra (Salamo 51, 4)
- Mpanota hatrany am-bohoka ianao (Efes 2, 3) sy amin’ny asa (Rom 3, 23).
- Noho ny fahotana, dia mendrika ny hosazian’Andriamanitra ianao (Rom 1, 18).
3. Mila mihaino mikasika an’I Jesosy Kristy izy ireo
Ny fampianarana an’I Jesosy Kristy dia mampiseho amin’ny ankizy ny làlana tokana amin’ny famonjena. Ny ankizy dia mila mahafantatra hoe izy moa Jesosy kristy ary inona no nataony. Izany indrindra no ampianarantsika ny hoe:
- Jesosy Kristy dia Andriamanitra Zanaka, Ilay Mpamonjy tokana (Asa 9, 20).
- Maty ho anao Izy (Asa 2, 23.36.38).
- Nitsangana tamin’ny maty Izy ho anao (Asa 2, 23-32).
- Niakatra ho any an-danitra ho anao Izy (Asa 2, 23-32).
4. Mila mihainoa mikasika ny fibebahana sy ny finoana izy ireo
Miantso ny ankizy handray an’I Kristy dia anisan’ny toerana iray lehibe ao amin’ny Filazantsara (Jaona 6, 37; Jaona 1, 12) noho izany no ampianarantsika azy ireo hoe:
- Manasa anao Jesosy hanantona Azy (Matio 11, 28).
- Mila miala amin’ireo fahotanao ianao ka manantona an’Andriamanitra (Asa 2, 38;20, 21).
- Mila mametraka ny fitokisana tanteraka amin’I Jesosy Kristy ary manaiky Azy ianao (Asa 16, 31.20 .21).
Ny fibebahana sy finoana dia ny valinteny tanteraka ny antson’i Kristy amin’ny saina sy ny fo ary ny sitrapo (Rom 6, 17).