ProWord
Fitahiana ho anao ve ity tranonkala ity?
Inona ny dikan’ny Tenin’Andriamanitra amiko?
“Tano amin’ny finoana sy ny fitiavana ao amin’I Kristy Jesosy ny mariky ny teny tsy misy kilema izay efa renao tamiko.” (2 Timoty 1, 13).
1. Mariky ny teny tsy misy kilema
Ny hevitry ny teny hoe “marika” ao amin’ny 2 Timoty 1, 1” dia midika hoe “mpanao asa mari-trano”. Hatramin’ny fiandohan’ny fiangonana voalohany dia nisy drafitra mazava ny amin’ny fotom-pampianarana. Io no fenitra hitsapana ny fampianarana rehetra. Nampitandremana I Timoty tsy hanova ny votoanton’izany drafitra izany. Raha ohatra ka manova izany izy, dia tsy hahazo na inona na inona amin’ny alalan’ny fitsapana ireo mpampianatra niaraka taminy izy. Isika izay ao anatin’ny taonjato faha 21 izao dia mila mihazona mafy amin’izay nampianarin’I Paoly tamin’ny taonjato 1 (voalohany). Tamin’ny andron’ny fiangonana voalohany, ny folozofia izay fantatra tamin’ny hoe: antinomianisma dia tena niely patrana mihitsy. Hoy izy hoe: “isika dia tsy ambany lalàna”. Io fomba fijery io dia mbola tsy maty amin’izao fotoana izao. Ny sasany aza manao hoe: isika dia ambany fahasoavana – fa tsy lalàna. Manambara io fa ny Testamenta Vaovao dia fitambarana taratasim-pitiavana” fa tsy fintina tantara ara-dalàna marina. Ny sasany mandà ny amin’ny antsoiny hoe: “ mariky ny Teolojia” fa tsy ny fehezanteny hoe: “ mariky ny teny tsy misy kilema” izay mampiseho fa misy lalàna ao ( lereo 1 Kor 9, 21; Gal 6, 2) amin’iza no tokony hiainantsika?
Nandritra ny taonjato maro ny asan’Andriamanitra dia vita tamin’ny alalan’ireo olona izay tena nijoro tsara tao anatin’ny fotoan-tsarotra. Mety mora aamin’izy ireo ny hisabaka, nefa tena nijoro izy ireo. Ny Apostoly Paoly no anisan’ireo tsy nisabaka. Tamin’ny fotoana farany tamin’ny fiainany izy no nampahery ny rahalahiny ao amin’I Kristy Timoty. Ao amin’nnny 1 Timoty 1, 11 dia hitantsika fa Andriamanitra dia nanome ny fahamarinana ara-panahy tamin’ny Apostoly Paoly, ary izy kosa nampita izany tamin’I Timoty (1Timoty 6, 20).
Araka ny 2 Timoty 1, 13 dia lasa ho andraikitr’I Timoty ny “mihazona mafy” ary “miambina” ny votoatin-kevitry ny fahamarinana ary hampita izany amin’ny hafa ( 2 Tim 2, 2).
3. Izay efa renao tamiko
Mino isika fa ny Fanahy Masina dia Fanahin’ny fahamarinana. Nametraka ny fahamarinana tamin’I Timoty. Manana Fanahy iray ihany isika ary fahamarinana iray ihany avy Aminy. Tsy mino Fanahy Masina roa isika. Ary tsy mino fahamarinana roa na maro. Nanapa-kevitra ny handefa ny Fanahy Masina Andriamanitra mba hampianatra antsika ny fahamarinana. Ankoatry ny asan’ny Fanahy Masina dia miaina ao anatin’ny maizina isika. Raha tsy misy Azy dia tsy azontsika ny dikan’ny Tenin’Andriamanitra. Isika dia tsy maintsy midina eo ambany fampianarany (Jaona 16, 13). Izy no manampy antsika hitana ny fahamarinana sy ampita izany amin’ny hafa.
4. Amin’ny finoana sy fitiavana
No marihintsika fa ny Fampianaran’I Timoty dia haseho “amin’ny finoana sy fitiavana”. Izy dia mila manambara ny fahamarinana amin’ny fitiavana, satria io no marik’Andriamanitra. Tsy hary nanambara ny fahamarinana tsy nisy fitiavana Andriamanitra. Efesiana 4, 15 dia milaza hoe:“ hanambara ny fahamarinana amin’ny fitiavana”. Ho mora ve ny fanatrehana ny fitehirizanantsika ny finoana. Ho mora koa ve ny ho tonga mpihaza mpamosavy noho ny fahamarinana sy fiainana kristiana: dia ny Finoanadia mahatonga antsika ho tompo, ary ny fitiavana dia mahatonga antsika ho mpanompo. Ny finoana dia tonga dia mahitsy sy mifantoka amin’ny Tompo Jesosy Kristy; …….
5. Ao amin’I Kristy Jesosy
Ny loharanon’ny fitahian’ny lanitra dia hita ao amin’I Jesosy Kristy irery ihany. Ny finoana no fitaovan’ny Fanahy hananana fifandraisana akaiky amin’ny Mpamonjy sy Mpanavotra Kristy Jesosy. Ohatra: “Ary mba ho hita ao aminy aho tsy manana ny fahamarinako izay avy amin’ny lalàna, fa izay avy amin’ny finoana an’I Kristy, dia ny fahamarinan’Andriamanitra amin’ny finoana. (Fil 3; 9).