ProWord
Fitahiana ho anao ve ity tranonkala ity?
Mila ny fampaherezan’Andriamanitra isika amin’ny fotoana mampahaketraka
Hebreo 10, 23, 35 – Mila fampaherezana ny mpanompon’Andriamanitra rehetra!
1. Nila fampaherezana I Isaka: “ HItahy anao any amin’ny tany misy mosary Aho”
Ary Jehovah niseho taminy ka nanao hoe: Aza midina any Egypta ianao; mitoera eo amin’ny tany izy holazaiko aminao. Mivahinia eto amin’ity tany ity ianao, dia homba anao sy hitahy anao Aho; fa ianao sy ny taranakao no homeko ireto tany rehetra ireto, hotoviko ny fiainianana izay nataoko tamin’I Abrahama rainao. (Genesisy 26, 2,3).
(Genesisy 26, 12-13).
Rehefa niatrika ny mosary tany amin’ny tany izay nipetrahany I Isaka dia niteny taminy Andriamanitra tsy handeha any Egypta fa hijanona eo ihany. Nampanantena azy Andriamanitra fa hitahy azy eo amin’io tany io. Dia nitahy azy teo Andriamanitra ary rehefa namafy teo izy dia nahavokatra be. Dia nitombo harena teo izy mandrapahatongany ho mpanakarena be.
Tahaka izany koa, Andriamanitra dia afaka mitahy antsika ao anatin’ny olana be sy fahasahiranana, sy fahoriana. Mety ho alaim-panahy isika hitoditodika any amin’ny zavatra hafa rehefa ao anaty fahoriana sy fahasahiranana.
Mampanantena ny hampiseho ny heriny amin’ny alalantsika Andriamanitra , ary afaka mitahy antsika eo amin’ny toerana izay hiatrehantsika izany fahasahiranana sy fahoriana izany.
Ary Andriamanitra nahatsiatro an-dRahely, dia nihaino azy ka nampananan’anaka azy. (Genesisy 30, 22).
Momba Rahely nandritra ny taona maro tahaka ny hoe efa adinon’Andriamantira mihitsy izy. Ny vehivavy rehetra dia hitany nifandimby nanan’anaka . Ohatra ny hoe Rahely irery no tsy mba notahian’Andriamanitra. Amin’izao, rehefa tahaka ny hoe nanadino azy Andriamanitra, ny Tenin’Andriamanitra dia miteny hoe: nahatsiaro an-dRahely Andriamanitra! Tsy adino’Andriamanitra Rahely! Nahatsiaro azy Andriamanitra ary nihaino ireo fitarainany. No adinoin’Andriamanitra ireo henatra nahazo azy ary nomeny zanaka izy. Nomeny anarana hoe Josefa ilay zanany. Io zanany io dia nasandratra avo mihoatra ireo rahalahany hafa rehetra. Nanana ho avy tsara indrindra I Josefa ary lasa Praiminisitra tany Egypta.
Na dia izany aza dia nila niandry fotoana ela Rahely vao nahazo io fitahiana io. Rehefa tonga ilay fitahiana dia tena tsy fahita mihitsy ilay izy, namirapiratra nihoatra ny sasany rehetra.
Amin’ny fiainantsika indraindray tahaka ny hoe adinon’Andriamanitra isika ary ny olona sasany dia tena toa tahian’Andriamanitra ery! Andriamanitra izay nahatsiaro an’I Rahely dia hahatsiaro sy hitahy anao koa, izay ho tena manokana sy mendrika ny handrasana na dia ela aza.
Tsy tokony no kivy isika fa aoka hijery any aloha amin’ny fanantenana sy fahatokisana ny fitahiana manokana izay homanin’Andriamanitra ho antsika.
3. Jakoba: …satria hitako izay rehetra nataon’I Labana taminao.
….satria hitako izay rehetra nataon’I Labana taminao. (Genesisy 31, 12).
Genesisy 31, 12.6.7.41
Rehefa niaritra ny fitondrana tsy rariny teo ambany fahefan’I Labana I Jakoba nandritra ny roapolo taona, dia niteny azy Andriamanitra hoe mialà an’I Labana ary miverena any amin’ny tanin’ny rainao. Hoy Izy tamin’I Jakoba: hitako izay rehetra nataon’I Labana taminao. Navotan’Andriamanitra tamin’ny tanàn’I Labana I Jakoba. Na dia hoe niaritra ny tsy rariny sy nofetsifetsena teo ambany fahefan’I labana I Jakoba dia fantatr’Andriamanitra izany. MIjery ny tsy marina rehetra izay nihatra tamin’I Jakoba Andriamanitra, ary tonga ny fotoana izay namonjen’Andriamanitra azy.
Amin’ny fiainantsika, fantatr’Andriamanitra izay zavatra mihatra, fahoriana manjo antsika.
Fantatr’Andriamanitra ny tsi-fahamarinana sy ny ratsy ataon’ny olona amintsika izay atrehantsika ary hihetsika sy hanavotra antsika amin’ny tanan’ny mpanao ratsy sy ireo mpanao herisetra Izy.
4. Elia: “mbola lavitra ny lalan-kalehanao ! “
Fa izy kosa nandeha làlana indray aandro tany anefitra ary tonga ka nipetrka tao ambanin’ny anjavidy anankiray; dia nagataka ny ho faty izy ka nanao hoe: Aoka izay! Alao ny aiko ankehitriny, Jehoavah ô! Fa tsy tsara noho ny razako aho…. Ary avy fanindroany indray Ilay Anjelin’I Jehovah, dia nanohina azy ka nanao hoe: Mifohaza, ka homàna, fa lavitra loatra ny halehanao.”
( 1 Mpanjaka 19, 4-7).
1 Mpanjaka 19, 1-7, 15-16; 2 Mpanjaka 2, 1.11.)
Rehefa nisy loza nanoloana an’I Jezebela ny fiainan’I Elisa dia kivy izy ary nivavaka mba ho faty. Hoy izy : Jehovah ô Aoka izay!, aloe aho ho faty”. Nahatsapa izy fa aleo maty toy izay velona. Tsy hitany intsony ny antom-pisiany. Tsy nahita intsony izy fa Andriamanitra dia mbola nanana asa lehibe ampanaovina azy. Nandefa ny Anjeliny Andriamanitra mba hampahery azy. Dia niteny azy fa mbola lavitra ny lalan-kalehanao. Mbola nisy asa lehibe tian’ny Tompo ho tanterahany. Mbola hanosotra mpanjaka ho an’ny firenena roa izy ary hanosotra izay handimby azy dia I Elisa. Nefa efa planin’Andriamanitra ho an’I Elia ny tsy tokony hahitany fahafatesana ary tokony hakarina velona any an-danitra amin’ny kalesy afo izy. Tao anatin’ny fahakiviany Elia dia tsy nahita ny planina lehibe sy tsara tamin’ny fiainany. Nivavaka ny ho tokony ho faty anefa izy. Nefa Andriamanitra dia nampahery azy sy nanampy azy hanatanteraka ny antompiisiany sy ny antso eo amin’ny fiainany.
Amin’ny fiainantsika indraindray kivy noho ny enta-mavesatra entintsika dia mivavaka amin’ny Tompo mba hakàny antsika fa leo ity fiainana etoa amin’izao tontolo izao ity. Tsy fantatsika fa mbola lavitra ny lalan-kalehantsika ary Andriamanitra dia mbola manana asa maro hotanterahantsika.
Tian’Andriamanitra ny hampahery antsika handeha hatrany sy hamita ireo asa nampanaoviny antsika ao amin’ny Fanjakany.