ProWord
Fitahiana ho anao ve ity tranonkala ity?
Mobamomba ny Dr Czeslaw Bassara
1948 no teraka tao akaiky ny Oswieccim (Auschwitz) tao Polonina tao amin’ny fianakaviana kristiana iray izy.1965 no nandraisany an’i Jesosy. Tamin’io taona io ihany no nanombohany asa fanompoana teo anivon’ny ankizy tao Paolonina. Nianatra tao amin’ny faritr’i Auschwitz hatramin’ny 1969.
1969 - 1974 nianatra teolojia tao amin’ny Christian Theology Academy tao Warsaw, Paolonina.
1972 nanambady an’i Helena. Niteraka zaza roa, Bodgan (teraka tamin’ny 1975) sy Dorota (teraka tamin’ny 1979) izy ireo dia samy efa manambady avokoa ary efa miara-mipetraka amin’ny vadiny avy.(ny anarany dia Agnieszka sy Konrad) izy ireo dia samy manompo ao amin’ny CEF avokoa.
1975 izy no nahazo ny Masters amin’ny Teolojia toa Paolonina.
1976 no nahavita ny Fiofanana mikasika ny Fitarihana tao amin’ny CEF Leadership Training Institute tao Kilchzimmer, Soisa (Suisse)
1969 - 1990 no nikarakara fitoriana tamin’ny ankizy sy tanora sady nanofana ireo mpampianatra sy ray aman-dreny tao Paolonina.
1982 - 1990 nanangana fiangonana sy namnpianatra tao amin’ny Sekoly biblika sy Fiangonana Evanjelika tao Paolonina.
1991 - 2006/2007 niara-nanompo tamin’I Helena teo amin’ny sehatry ny maha-Talen’ny Eropa afovoany sy atsinanana.. Tamin’ny fomba miavaka no nifantohan’izy ireo tamin’ny asa fanompoana teo anivon’ny CEF tany Rosia sy Azia afovoany sy tamin’ny fanomezana fiofanana ireo mpitarika nasionaly tamin’ireo firenena 30. Izy ireo dia mambra ao amin’ny “European Field Council.”
2000 - 2006 namita ny fianarana Doctorat Teolojia tao amin’ny Fakiolite Teolojia Evanjelika tao Heverlee / Leuven Beljika.(Belgique).
2006 no nahazo ny PhD amin’ny Teolojia Systematika: “Valinteny Evanjelika amin’ny Hermenetika Maoderina.” (Réponse évangélique sur l’hermeneutique Postmoderne.)
2008 nanomboka ny “Proclaiming the Word” na hoe “Fanambarana ny Teny” izay asa fanompoana amin’ny fampianarana Baiboly eran-tany eo anivon’ny CEF.
Ny Dr Czeslaw Bassara dia miteny Anglisy, Alemaina, Rosiana, Polonai, Esperanto. Ireo fampianarana baiboliny dia nahafahany nandeha tamin’ny firenena maro mihoatra ny 60 amin’ny kontinanta 5.
“Farany ry rahalahy, mivavaha ho anay mba handehanan’ny tenin’ny Tompo faingana ka hankalazaina toy ny eo aminareo.” 2 Tes 3.1