ProWord
Fitahiana ho anao ve ity tranonkala ity?
Nahoana isika no mandray anjara amin’ny iraka?
Matio 28, 18-20;
Marka 16, 15;
Jaona 20, 21;
Hita araka ny tantara fa ny firenena tsy misy Filazantsara dia mahantra, feno herisetra, aretina, tokantrano mikorontana, tsy fanarahan-dalàna, ankizy tsy manan-dray,fitiavam-bola, kolikoly ary ady bebe kokoa noho ireo firenena mamela malalaka ny filazantsara hotoriana ao amin’ny taniny.
Araka ny isa azo tao anatin’ny 6,000 taona dia nisy ady 14,530. Ny salan’isa dia ady 2,6 isan-taona. Ho an’I Kaisara dia $75 ny mamono fahavalo iray. Ho an’I Napoleona dia $ 3,000. Tamin’ny ady lehibe voalohany dia nahalany $21,000 isaky ny fahavalo maty. Tamin’ny ady lehibe faharoa dia $200,000 izany.
Ny lany amin’ny ady iray amin’izao fotoana izao dia $1,000,000.
Eritrereto raha mba laniana amin’ny misiona ireo vola ireo!
Ny fandresen-dahatra ao anatintsika amin’ny misiona.
1. Hanatanteraka ny Iraka Lehibe nomen’I Jesosy Kristy (Matio 28, 18-20).
A. Variana loatra amin’ny tranotsika isika.
B. Miompana loatra amin’ny isa maro isika
C. Variana amin’ny toerana sy ny asa isika (firy izao ny matahanina ato amintsika?)
2. Hizara ny fitiavan’ny Tompontsika Jesosy Kristy (matio 9, 36-38; 18, 10-14).
A. Mila ny antso avy any ambony isika.(“Mandehana any antranon’I Kornelio)
B. Mila mihaino ny antso avy any ambany isika.(mba andefaso olona any amin’ny rahalahiko)
C. Mila mihainoa ny feo avy any antsaha isika.(mandehana any Makedonia!)
3. Hanome voninahitra amin’ny alalan’(ny fitondrana olona ao amin’I Kristy Jaona 3, 16; Asa 1, 8; Rom 10, 13-15).
A. Mamonjy ankizy amin’ny tsy fananana fanantenana sy tsi fisiana.
B. Mamonjy ireo migadra any am-ponja
C. Mamonjy ireo olona ao an-tanàna amin’ny famangiana.
D. Mamonjy izao tontolo izao amin’ny misiona.
4. Mampiorina ny tenan’I Kristy Jesosy (Efes 4, 12-16).
A. Ny fiangonana an-toerana no loharanon’ny olona hanao misiona.
B. Ny fiangonana an-toerana no tempolin’ny vavaky ny misionera.
C. Ny fiangonana an-toerana no mpanohana ireo misionera.